🎯 Lehilahy iray no tratran’ny Polisimpirenena avy ao amin’ny Kaomisarian’ny Boriborin-tany faha 6 niaraka tamina « batteries » ana fiara miisa roa ny 11 febroary 2025 tamin’ny 2 ora maraina teny amin’ny Fokontany Ambatolampy. Tsy misy taratasy ary tsy voazavany ny fiavian’ireto « batteries » ireto ka notanana natao fanadihadiana tao amin’ny biraon’ny Polisy izy. Nandritra izany no nahafantarana fa halatra ireto « batteries » ireto.
🎯Lehilahy iray hafa ihany koa tratran’ny Polisy avy ao amin’ny CSP 2 teo ampangalarana fitaovan-dakozia ny 10 Febroary 2025 hariva teny Antsahameva. Fitaovan-dakozia maro samihafa no nangalariny tamin’izany.
🎯 Ankoatra izay dia lehilahy iray hafa noraisim-potsiny tao an-tokotanin’olona mifefy teny Mahazoarivo ny alin’ny 10 Febroary 2025 ihany. Nampiahiahy ny mponina ny fihetsiny ka niantso Polisy izy ireo. Tonga haingana ny Polisy avy ao amin’ny CSP 2 ka dia noraisim-potsiny ity lehilahy ity.

DRSP ANALAMANGA: CC TANA VILLE – CSP6 – CSP2