➡️ Tontosa ny 14 Febroary 2025 ny lanonana fanehoana ho ambany faneva an’ireo mpianatra ho manamboninahitra ambony sy manamboninahitra eo anivon’ny Polisimpirenena, manaraka fiofanana ao amin’ny ENSP (École Nationale Supérieure de Police) Ivato. Ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Inspecteur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala no nitarika ny lanonana.
➡️ Nohamafisin’ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka fa fanatanterahana ny politikam-panjakana hanatrarana ny fanjakana tsara tantana sy ny fijerena ny maha-olona izao fampitomboana isa ny Polisimpirenena izao.
➡️ Miisa 50 ny mpianatra ho Polisimpirenena amin’ny andiany MIAHI ka 20 « Élèves Commissaires de Police” ary 30  » Élèves Officiers de Police ».
➡️ Taorian’ny fahavitan’ny andiany MIAHI ny fiofanana fototra naharitra 45 andro araka izany, hanomboka ny fiofanana amin’ny fampiharana ny asan’ny Polisimpirenena izy ireo mandritra ny roa taona.
➡️ Nisy ihany koa androany ny fampahafantarana ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka izay nisalotra ny galona “Contrôleur General de Police » sy « Commissaire Divisionnaire de Police” vaovao ka miisa 07 izy ireo no nahazo izany.
➡️ Maro ireo tompon’andraikim-panjakana miaramila sy sivily ary olom-boafidy nanatrika ity lanonana ity.

MSP-ENSP IVATO: NAPETRAKA AMBANY FANEVA NY MPIANATRA VAOVAO HO MANAMBONINAHITRA AMBONY SY MPIANATRA HO MANAMBONINAHITRA EO ANIVON’NY SEKOLY AMBONIN’NY POLISIMPIRENENA, MISALOTRA NY ANARANA  » MIAHI » (MATURITÉ – INTELLIGENCE – ASSIDUITÉ – HONNÊTETÉ – INTÉGRITÉ)

Vous pourrez aussi aimer