Henjana ilay fihibohana lavareny, miteraka fahasahiranana ho an’nyrehetra. Raha tiantsika ny hiala haingana amin’ity fihibohana ity dia ndao hiara-mientana amin’ny fanarahana ireo lamina sy fepetra napetraka handresena ity aretina COVID 19 ity.
– Aza mivoaka ny trano raha tsy tena anton-dia maika sy tsy azo ialana ;
– Raha tsy maintsy hivoaka dia manaova arotava, aza atao eo amin’ny saoka, aza atao am-paosy.
– Hajao ny elanelana iray metatra amin’ny olona mifampiresaka na mifanerasera aminao.
– Fadio ny mivorivory. Nymahasoa aloha vao ny mahafinaritra ka atsaharo ny lalao samihafa toy ny fampiadiana akoho, korana miaraka…
– Ekena fa zava-dehibe amintsika Malagasy ny fifanotronana amin’ny fahoriana nefa ilaina ny fitandremana sao ny velona indray no hanara-dia ny efa maty ka aza mitangorongorona miandry faty. Mafy izany teny izany nefa izany no marina.
– Aza mifamangivangy na mifampitsidika fa rehefa tapitra ny aretina manao misimisy. « Ny Havana tsy hita ela ange hamonoana akoho mikotrika e »