FARITA ITAOSY : TERATANY NIGERIANA MIISA 02 ,VEHIVAVY MALAGASY 01, FIARA MPITONDRA RONGONY AMIN’NY GONY SAMY TRA-TEHAKA AVOKOA
Teratany Nigeriana miisa 02 sy vehivavy Malagasy 01 no tratran’ny Polisy misahana ny zava-mahadomelina niaraka tamin’ny héroïne 75g sy cocaïne 2g ary emphetamine 0,5g teny amin’ny trano fonenan’izy ireo teny Itaosy. Izy 03 ireto no mpamatsy ireo entana eny amin’ny faritra 67ha amin’ireto karazana zava-mahadomelina ireto ka ny tanora manan-katao sy ireo olona manam-bola no tena mpanjifan’izy ireo.
Fiara iray mpitatitra rongony avy eo Ampitatafika ho any Vinany Itaosy ihany koa no tratran’ny Polisy nitondra rongony 14 gony tao anatin’ny fiarany. Nosamborina avy hatrany ilay mpamily sy ilay tompon’ny entana ka rehefa tonga tany amin’ilay trano eny Vinany Itaosy indray ny Polisy sy ireto olona ireto dia tra-tehaka tao ihany koa ny gony miisa 15 feno rongony. Rehefa nolanjaina moa ny fitambaran’ireo rongony ireo dia milanja 350 kilao.
Ny Polisim-pirenena dia mankasitraka ny fiaraha-miasa amintsika olom-pirenena amin’ny fanomezam-baovao ka hirariana ny fitohizan’izany. Azo antsoina amin’ny laharana 034 05 998 17 ihany koa ny Polisy misahana ny zava-mahadomelina raha misy ny vaovao mahakasika ny fidorohana na ny fivarotana zava-mahadomelina eny amin’ny fiaraha-monina misy antsika eny