⭕️⭕️ Nisy tovolahy iray nanao Publication teto amin’ny Fb omaly hariva fa nisy tovovavy iray somary very saina hitan’izy ireo tetsy Andohatapenaka ary efa nitangoronan’ny olona. Nisy lehilahy 01nitondra moto ihany koa niaraka nitangorona tamin’ny olona teny amin’ilay toerana ary nilaza fa mpiasan’ny fitsarana ka hanatitra azy amin’ny moto eny amin’ny kaomisaria etsy 67ha. Nilaza ilay tovolahy nanao Pulication sy ny namany fa hanaraka an’ilay lehilahy nitondra ilay tovovavy tamin’ny moto avy ato aoriana hamonjy ny biraon’ny Polisy etsy 67ha. Nolazain’izy ireo tamin’izany fa toa nivily lalana nankany Ampasika ilay moto nitondra ilay tovovavy ka nanomboka teo dia tsy hita intsony ny nalehan’ilay moto nitondra ilay tovovavy rehefa tonga teny amin’ny biraon’ny Polisy izy roalahy.
??Raha vao nahita ilay vaovao moa ny Polisy dia efa nanokatra ny fanadihadiana. Nanao ny fikarohana ny Polisy ka tratra teny Sabotsy namehana ilay moto nitondra ilay Tovovavy ary nosamborina avy hatrany ilay lehilahy milaza ho mpiasan’ny fitsarana. Fantatra tamin’izany fa tsy naterin’ity lehilahy ity teny amin’ny kaomisaria akory ilay tovovavy fa noentiny nanaraka azy tany Antaninarenina ka ny maraina teo no tratran’ny Polisy tetsy Sabotsy Namehana izy sy ilay tovovavy .
??Rehefa natao ny fanadihadiana dia voamarina fa voaolana ilay tovovavy ary ilay lehilahy milaza azy ho mpiasan’ny fitsarana dia mpiandry vavahady eny amin’ny lapan’ny fitsarana.

COMMISSARIAT CENTRAL AVARADRANO: HITA ILAY TOVOVAVY VERY OMALY TETSY ANDOHATAPENAKA ARY NOSAMBORINA ILAY LEHILAHY NITONDRA AZY NITSOAKA

Vous pourrez aussi aimer