Agent de police stagiaire iray,miasa ao @ commissariat de police boriboritany fahaefatra isotry no nahatifitra tsy nahy ny namany sivily iray Teo @ lohany ka nahafaty azy, ny harivan’ny sabotsy,05 septembre 2020 teny isoraka.
Niaraka nikorana tamina trano iray teny isoraka ny mpinamana vitsivitsy ny harivan’io sabotsy Io ka isan’izany ilay polisy. Vokatry ny sangisangy nifanaovana nandritra izany korana izany dia nahatifitra tsy nahy ny namany iray izy. Teo @ faritry ny lohan’ity namany no voa ka nahafaty azy. Nitolo-batana tany @ lehibeny avy hatrany ilay polisy nanao tatitra ny zava-nisy. Notanana avy hatrany ny tenany hatao fanadihadiana ka ny BC no nandray an-tanana ny raharaha @ maha- vono olona azy. Ny razana nalefa eny @ trano-paty hjra anosy.
Vao nandre izao raharaha izao ny minisitry ny filaminam-bahoaka dia nanome baiko fa atao mifanindran-dalana amin’ny fanadihadiana ataon’ny BC ihany koa ny fanadihadian’ny IGPN satria ankoatry ny maha-heloka famonoana olona dia misy ny fahadisoana Arak’asa. Araka ny nambaran’Atoa minisitra dia tsy ekena mihitsy ny fifampiarovana sy ny tsikombakomba eo amin’ny Polisim-pirenena raha misy polisy mahavita heloka.
BC ANOSY : NITOLO- BATANA TENY AMIN’NY POLISY MISAHANA NY HELOKA BEVAVA ILAY POLISY NITIFITRA OLONA