?Mankasitraka sy misaotra antsika rehetra tamin’ny fampitam-baovao fa efa nalain’ny fianakaviany tety amin’ny Polisy ilay vehivavy hita tetsy Antanimena.
??FANENTANANA RAHA MISY NY FAHAVEREZANA OLONA
?Entanina isika olom-pirenena mba hanatona ny manam-pahefana akaiky antsika indrindra raha toa ka misy ny trangana fahaverezana olona fa tsy vitan’ny mandefa izany amin’ny FB fotsiny ihany hisorohana ireo olona mpanararaotra satria ny ratsy tsy kely lalana.
-?? Mila miteny amin’ny Polisy ihany koa isika rehefa hita ilay olona very hahafahan’ny Polisy manohy na mamarana ny fanadihadiana. Toy izany koa rehefa mba mandefa zaza very amin’ny FB , ilaina ny mampandre ny mpiserasera ato amin’ny tambazotra sosialy rehefa hita ilay olona hisorohana ny tebiteby sy ny tsaho mety hitranga eny anivon’ny fiaraha-monina eny
☎️ Afaka manampy antsika ihany koa ireto laharana ireto raha toa ka misy ny trangana fahaverezana zaza amam-behivavy :
?PMPM – Polisy misahana ny zaza tsy ampy taona :
034 05 703 73 ( raha zaza no very )
? BFP- Polisy misahana ireo olona marefo :034 05 350 13 na ny laharana maitso 813 (raha vehivavy na ireo zokiolona no very )

EFA NALAIN’NY FIANAKAVIANY ILAY VEHIVAVY VERY NATAON’NY POLISY FILAZANA TETO AMIN’NY PEJY

Vous pourrez aussi aimer