LOZAM-PIFAMOIVOIZANA ETO ANTANANARIVO RENIVOHITRA : MIISA 70 IREO MPITAINGINA MOTO TRATRAN’NY POLISY TSY NANAO AROLOHA ANDROANY MARAINA
Tato ato dia nifanesisesy ny lozam-pifamoivoizana hateraky ny moto teto an-drenivohitra sy ny manodidina.Taorian’ny fanentanana natao teto amin’ny pejy sy teny an-dalambe ho an’ireo mpitondra moto dia niroso tamin’ny fanasaziana ny Polisim-pirenena.
Androany maraina fotsiny dia miisa 70 ireo mpitondra moto tratra tsy nanao aro loha, tsy nisy intsony ny fandeferana fa avy dia notanana eny amin’ny biraon’ny Polisy avokoa ireo moto hita fa tsy manara-dalàna. Hisorohana amin’ny firongatry ny lozam-pifamoivoizana sy ny fiarovana ny ain’ireo mpandeha moto sy ny mpampiasa lalana hafa moa no anton’izao hetsika izao.
Tsara ny manamarika fa tsy ny mpitondra moto ihany akory no tokony hitandrina sy hanara-dalàna fa isika rehetra mampiasa ny lalana.
Noho izany dia aza miandry ny Polisy hanasazy vao hanara-dalàna sy hitandrina fa ataovy ho fiarovana ny ainao sy ny hafa izany.
LOZAM-PIFAMOIVOIZANA ETO ANTANANARIVO RENIVOHITRA : MIISA 70 IREO MPITAINGINA MOTO TRATRAN’NY POLISY TSY NANAO AROLOHA ANDROANY MARAINA