LEHILAHY NISOLOKY HO POLISY : NA NY VADY AMAN-JANANY SY NY HAVANY AZA NOFITAHANY FA POLISY IZY
Efa ho 04 taona ity lehilahy 31 taona ity no nisandoka ho Polisy . Hananany avokoa ireo karazana fanamianan’ ny Polisim-pirenena ary ireo galona manomboka amin’ny Inspecteur hatramin’ny Commissaire de police. Nitady basy mihitsy ity lehilahy ity hahafahany misandoka ka basy vita gasy miisa 03 no hita tao aminy. Hoentiny manararao-pahefana sy mitaky vola amin’ireo manodidina azy moa no tena ampiasainy ireo fitaovana natokana ho an’ny Polisy ireo. Teny Ambohitsoa izy no tratran’ny Polisy ary mbola niaraka tamin’ny fanamiana Polisy sy galona kaomisera izy no izao tra-tehaka izao. Voasambotry ny Polisy ihany koa ireo olona miisa 03 nivarotra basy vita gasy taminy.
LEHILAHY NISOLOKY HO POLISY : NA NY VADY AMAN-JANANY SY NY HAVANY AZA NOFITAHANY FA POLISY IZY