SCESLFD- FIVAROTANA SY FAMPIJALIANA VEHIVAVY MALAGASY ANY IVELANY : VOASAMBOTRY NY POLISY ILAY VEHIVAVY MALAGASY MIPETRAKA ANY CHINE IZAY TOMPON’ANTOKA AMIN’IZANY

Mipetraka any Chine ity vehivavy ity ary mandray ireo vehivavy Malagasy tonga hiasa any amin’io firenena io.

Vehivavy iray no Tonga nitory teny amin’ny Polisy misahana ny famarinan’olona ( Traite de personne) noho ny famitahana sy ny fampijaliana niainany tany Chine.

Tao anaty fb no hitan’ilay vehivavy nitory Ilay asa milaza fa mitady vehivavy Malagasy hiasa any Chine. Toy ny olona rehetra mitady asa dia nirotsaka ho mpifanina hahazoana ilay asa izy ka nasaina niakatra teto an-drenivohitra.

Raikitra ny fifanarahana teo aminy sy ilay olona hanome azy ilay asa any ivelany ka nanainga hihazo ny firenena sinoa izy.

Rehefa tonga tany izy dia ity vehivavy hita amin’ny sary ity no nitsena sy nandray azy ary nosintonina taminy avokoa ny pasipaoro sy ireo antontan- taratasy mahakasika azy. Teo vao notenenina taminy fa tsy ilay asa nampanantenaina azy taty Madagasikara no ampanaovina azy fa varotana amin’ireo sinoa tsy mahazo vady sy te hanan-janaka izy. Voatery nanaiky ilay asa izy satria tsy afa-nanoatra ka nampivadiana tamina Lehilahy sinoa iray. Rehefa Leo azy ity sinoa dia naveriny tamin’ilay vehivavy hita amin’ny sary ity indray izy ka nomena sinoa iray hafa indray izay nahazoany zaza no sady niaretany fangirifiriana tamin’ny vono nataon’ilay sinoa sy nogejaina tsy nahazo nivoaka ny trano nandritra ny herintaona niarahany tamin’io sinoa faharoa io. Rehefa niteraka moa izy dia norahonan’ilay sinoa mba omena azy ilay Zaza raha tsy izany vonoiny ho faty ity vehivavy ity. Nomeny an’ilay sinoa àry ny Zaza ary afaka nandeha izy nitady vonjy. Nahita mpiray tanindrazana Malagasy tsara fanahy tany an-toerana izy ka io Malagasy Io no nikarakara azy sy nandefa azy nody haingana teto an-tanindrazana .

Ny volana septambra 2020 teo dia naheno vaovao izy fa Tonga eto an-toerana ilay vehivavy nampitondra azy fahoriana tany Chine ka niantso Polisy avy hatrany izy. Ny Polisy rahateo tsy nisalasala nanampy azy ary nidina tany Fianarantsoa nisambotra ilay vehivavy mpivarotra olona. Niaiky ny heloka nataony izy ary nilaza izy fa amidiny 16 000 000 Ariary ka hatramin’ny 20 000 000 Ariary ny vidin’ny vehivavy Malagasy somary mainty fihodirana raha mahatratra hatramin’ny 60 000 000 Ariary kosa izy raha tsara tarehy sy fotsy fihodirana.

Ankoatra ity vehivavy ity dia tratra ihany koa ireo vehivavy roa mpiray tsikombakomba aminy ary efa any amin’ny fonjan’ Antanimora moa ireto vehivavy mpivarotra ny mpiray tanindrazana aminy ireto.

SCESLFD- FIVAROTANA SY FAMPIJALIANA VEHIVAVY MALAGASY ANY IVELANY : VOASAMBOTRY NY POLISY ILAY VEHIVAVY MALAGASY MIPETRAKA ANY CHINE IZAY TOMPON’ANTOKA AMIN’IZANY

Vous pourrez aussi aimer