RN7 SAMBAINA – FANAJANONANA TAXI-BROUSSE : NANDRAY NY ANDRAIKINY NY MINISITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA HIAROVANA NY AIN’IREO MPANDEHA
Manoloana ny tranga iray teny amin’ny RN7 tamin’ny harivan’ny Alahady, 20 Desambra 2020 ka nahavoatonona ny anaran’ny Minisitry ny filaminam-bahoaka sy ny zanany lahy dia mitondra izao fanazavana izao ny Minisiteran’ny filaminam-bahoaka.
Mba ho fanajana ny tsiambaratelon’ny famotorana dia ninia tsy niteny na nitondra fanazavana ny teto anivon’ny Ministeran’ny filaminam-bahoaka, noho ny fiparitahan’ny vaovao tsy marina any anatin’ny tambazotran-tserasera nefa dia tsy maintsy natao ity fanambarana ity mba hanehoana ny tena zava-misy marina.
Avy namita iraka tany amin’ny Faritra Vakinankaratra ny Minisitry ny filaminam-bahoaka ny harivan’ny Alahady, 20 Desambra 2020. Noho ny fahasimban’ny fiara iray tokony hitondra ny mpiambina azy dia ny Minisitra no nitondra ny Fiara niaraka tamin’ny vady aman-janany.
Teny an-dalana dia nahita fiara TAXI BROUSSE iray marika Sprinter manao taingim-be, nisy olona hatreny ambony tafo (porte bagage) ary misy miraviravy aty aoriana. Tsy mety sy tsy ara-dalana izany ka nandray andraikitra avy hatrany ny Minisitra nampaneno sirène ary nampijanona ity fiara ity. tsy nety nijanona nefa ilay mpamily raha tsy nobahanan’ny Minisitra tamin’ny Fiara nentiny.
Nanatona ny mpamily ny Minisitra ary nitonona fa Polisy, niteny azy amin’ny tsy fanarahan-dalàna ataony ka niangavy azy hanome ny taratasin’ny fiara. Mody nikisaka haka sisiny ilay fiara dia lasa nitsoaka. Nanaraka azy Minisitra ka voatery nibahana ilay fiara. Tsikaritry ny minisitra fa mamo ilay mpamily ka tapakevitra izy ny hanala azy eo amin’ny familiana ka hamoaka azy avy ao anaty fiara. Nampitazoniny ny zanany lahy ilay basy teny mba hafahany manao izany.
Io fihetsika io no nisy nahatsikaritra ka namadika azy ho zavatra hafa.
Tsara ho marihana fa ny Minisitry ny filaminam-bahoaka dia Polisy ary Polisy isan’ireo manana ny laharam-boninahitra ambony indrindra ato amin’ny Polisim-pirenena. Amin’ny maha-tomponandraikitra voalohany azy amin’ny filaminam-bahoaka sy amin’ny maha Polisy azy dia tsy afaka ny hitazam-potsiny fa tsy maintsy mandray andraikitra rehefa mahita fandikan-dalàna toy izao. Mipetraka foana ny maha Polisy azy na manao fanamiana na tsia ary afaka mandray andraikitra.
Diso ny filazana fa ny zanaky ny Minisitra no nitondra ny basy nivoaka ny fiara fa ny Minisitra rainy, fa rehefa hamoaka ilay mpamily izy vao natolony azy hotazoniny. Tsy marina ihany koa ny filazana fa nanambana basy ireo olona tao anaty fiara ity zanany ity.
Natolotry ny Minisitra ny Commissariat de Police ANTANIFOTSY ny raharaha ary nanome baiko izy ny hanokafana fanadihadiana. Fantatra tamin’izany fa tsy manana Permis de Conduire ity mpamily ity. nogiazana ao amin’ny Commissariat de Police ANTANIFOTSY ny Fiara.