Nobahanan’ireto tovolahy amin’ny fivarotana sy fanamboarana moto ny lalan’ny mpandeha an-tongotra etsy Andohatapenaka akaikin’ny FDC. Ankoatra izay dia tsy misy ny fanajana ireo mpandeha ,eny na hatramin’ireo vehivavy bevohoka aza dia mahazo teny marary avy amin’izy ireo . Manoloana izany
CSP 8 ANALAMAHITSY – FAMAKIANA FIARA : TRATRAN’NY POLISY TEO AM-PAKANA AUTO RADIO
Voasambotrin’ ny Polisy niaraka tamin’ny auto radio avy nangalarina ity tovolahy ity taorian’ny antson’ny fokonolona nahita azy namaky fiara 01 izay mipetraka amoron-dalana tetsy Nanisana. Mbola tratra teny amin’ity tovolahy ity ihany koa ireo fitaovana entiny mamaky fiara. Mankasitraka ihany
FILAZANA FIKAROHANA
Ireto olona hita amin’ny sary ireto dia sady mpisoloky no mpampiasa taratasy sandoka maro samihafa no miray tsikombakomba ihany koa. Toy izao ny mombamomba azy ireo : Anarana : RAZANAKOTO HARIMALALA Fanampiny : ZANOA MARCELLE fantatra amin’ny anarana ihany koa
IZAY MAMBOLY HAZO MANAVOTRA NY FIRENENA, IZAY MANDORO ALA MANDORO NY TANINDRAZANA : MITOHY HATRANY NY FAMBOLEN-KAZO ATAON’NY POLISIM-PIRENENA ANY AMIN’NY FARITRA MARO SAMIHAFA
Tsy mijanona ny fanatanterahana fambolen-kazo ho fiarovana ny tontolo iainana ary manao sesilany izany ho an’ireo faritra maro samihafa eto Madagasikara Nanatanteraka izany ireo Polisy miasa ao amin’ny faritra Betsiboka niaraka tamin’ireo Vadina Polisy sy Polisy Vavy ( FIVAPOVA )
KIANJA BAREA MAHAMASINA – HALATRA FITAOVANA : MIARAKA AMIN’NY FIARA MIHITSY IRETO ANDIAN-DEHILAHY NO TRATRAN’NY POLISY NAMOAKA IREO FITAOVANA ENTINA HANAMBOARANA NY KIANJA
Vao tsy ela akory ny Polisy no nahasambotra andian-dehilahy nangalatra fitaovana fanamboarana ny kianjan’ny barea. Izao indray dia lehilahy miisa 05 no tratran’ny Polisy namoaka fitaovana toy ny vy sns ivelan’ny kianja. Amin’ny 01 ora maraina ireto andian-dehilahy ireto no
FISOROHANA NY LOZAM-PIFAMOIVOIZANA SY FIPARITAHAN’NY ARETINA COVID-19 : HENTITRA NY POLISY AMIN’NY FAMPANARAHAN-DALANA
Mitohy hatrany ny fitsirihana ataon’ny Polisim-pirenena ho an’ ireo mpampiasa lalana ho fiarovana azy ireo amin’ny lozam-pifamoivoizana mety hiseho ary koa amin’ny fiparitahan’ilay valan’aretina covid-19. FIARA TAXIBE : Averina hatrany fa ny fiara fitateram-bahoaka no tokony ho sarotiny amin’ny fanajana
COSPN TOMPONDAKAN’I MADAGASIKARA SOKAJY N1B EO AMIN’NY TARANJA BASKET-BALL : NAHAZO FANOMEZANA MANOKANA AVY AMIN’NY MINISITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA
Ankoatra ny taratasy fankasitrahana dia nahazo fanomezana avy amin’ny Minisitry ny filaminam-bahoaka ireto mpilalaon’ny COSPN N1B ireto rehefa nandrombaka ny tompondakan’i Madagasikara ny Alahady lasa teo. Nankasitraka ny ezaka vitan’ny ekipa ny Minisitra ary nankahery sahady ireo Mpilalao hanome ny
BRIGADE FEMININE DE PROXIMITE : MPIANATRA MIISA 20 NATERIN’NY POLISY TANY AM-PIANARANA REHEFA TRATRA NANAO JEUX SY NAMPIARAKA AMIN’NY ORA FIANARANA
Tafiditra ao anatin’ny asan’ny Polisim-pirenena ny fiarovana ireo ankizy tsy ampy taona. Misy ireo toerana tsy azon’ny ankizy idirana mihitsy toy ny toerana fisotroana toaka (bar), ny toeram-pilokana, toeram-pilanonana toy ny boite de nuit. Tsikaritra fa misy ireo salle des
FANADINANA HIDIRANA HO POLISY : ATAO NY SABOTSY 27 SY ALAHADY 28 FEBROARY HO AVY IZAO
Fampahatsiahivana ho an’ireo nametraka antontan-taratasy handray anjara amin’ny fifaninanana handraisana mpianatra ho Polisy fa ny fanadinana dia hotanterahana ny Sabotsy 27 sy ny alahady 28 febroary 2021 (faran’ny herinandro, andro tsy fiasana) ho avy izao. Ho an’ireo mpifaninana ho mpianatra
PMPM – BFP – HERISETRA MIFOTOTRA AMIN’NY MAHALAHY NA AMIN’NY MAHAVAVY : NANAO FANENTANANA IREO MPANABE AO AMIN’NY DISTRIKAN’NY EKAR FALIARIVO NY POLISIM-PIRENENA
Efa manomboka sahy mitoroka eny anivon’ny Polisy ireo olona hianjadian’ny herisetra eny anivon’ny fiaraha-monina. Etsy andaniny, mitohy hatrany ny fanentanana ataon’ny Polisy mahakasika ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na amin’ny mahavavy. Mpampianatra miisa 60 izay misahana mpianatra 1500 avy amin’ny
TSY FANARAHAN -DALANA ATAON’IREO FIARA MPITATITRA : FIARA TAXIBE MIISA 33 TRATRAN’NY POLISY TSY MANARA-DALANA TAO ANATIN’NY ORA IRAY MONJA
Hita tato ho ato fa miha goragora ny fanajan’ireo fiara fitateram-bahoaka ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana , ary maro ireo mpandeha no mitaraina amin’ny tsy fanajana ny tolotra omena azy ireo fa indrindra ny tsy fanarahana ireo fitsipika hiadiana amin’ilay
SERVICE ANTI-GANG – ANDIAN-JIOLAHY MITAM-BASY SAIKA HANAO FANAFIHANA TETSY ANOSIZATO : 03 LAHY LAVON’ NY BALAN’NY POLISY
Hampiasa ny heriny hatrany ny Polisim-pirenena ary tsy hitsitsy manoloana ireo andian-jiolahy mitondra fitaovam-piadiana vonona handroba sy hamono ny vahoaka Malagasy. Toy izany ny nahazo ireto olon-dratsy nitondra basy ireto raha saika hanafika mpivaro-kena iray tetsy amin’ny fasan’ny karana omaly