FIFAMPIARAHABANA TAOM-BAOVAO EO ANIVON’NY POLISIM-PIRENENA : NY MINISITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA NO TONGA NIARAHABA IREO POLISY ANY AMIN’NY TOERAM-PIASANY MISY AZY AVY.
Tsy nisy ny fiarahabana manokana ho an’ny Minisitry ny filaminam-bahoaka fa izy tenany sy ireo lehiben’ny Polisy no nidina sy nanatona ireo Polisy tany amin’ny toeram-piasany misy azy tsirairay avy niarahaba sy nirary soa azy ireo amin’izao taom-baovao izao.
Fomba iray entin’ireto lehiben’ny Polisy misaotra sy mankasitraka ny Polisy tamin’ny asa vitany nandritra ny taona lasa iny no sady mankahery azy ireo amin’ny fanohizana ny ezaka ho any amin’ny tsara hatrany indrindra amin’ny fametrahana ny fandriam-pahalemana maharitra eto amin’ny firenena.
FIFAMPIARAHABANA TAOM-BAOVAO EO ANIVON’NY POLISIM-PIRENENA : NY MINISITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA NO TONGA NIARAHABA IREO POLISY ANY AMIN’NY TOERAM-PIASANY MISY AZY AVY.