Fampahatsiahivana ho an’ireo nametraka antontan-taratasy handray anjara amin’ny fifaninanana handraisana mpianatra ho Polisy fa ny fanadinana dia hotanterahana ny Sabotsy 27 sy ny alahady 28 febroary 2021 (faran’ny herinandro, andro tsy fiasana) ho avy izao. Ho an’ireo mpifaninana ho mpianatra
PMPM – BFP – HERISETRA MIFOTOTRA AMIN’NY MAHALAHY NA AMIN’NY MAHAVAVY : NANAO FANENTANANA IREO MPANABE AO AMIN’NY DISTRIKAN’NY EKAR FALIARIVO NY POLISIM-PIRENENA
Efa manomboka sahy mitoroka eny anivon’ny Polisy ireo olona hianjadian’ny herisetra eny anivon’ny fiaraha-monina. Etsy andaniny, mitohy hatrany ny fanentanana ataon’ny Polisy mahakasika ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na amin’ny mahavavy. Mpampianatra miisa 60 izay misahana mpianatra 1500 avy amin’ny
TSY FANARAHAN -DALANA ATAON’IREO FIARA MPITATITRA : FIARA TAXIBE MIISA 33 TRATRAN’NY POLISY TSY MANARA-DALANA TAO ANATIN’NY ORA IRAY MONJA
Hita tato ho ato fa miha goragora ny fanajan’ireo fiara fitateram-bahoaka ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana , ary maro ireo mpandeha no mitaraina amin’ny tsy fanajana ny tolotra omena azy ireo fa indrindra ny tsy fanarahana ireo fitsipika hiadiana amin’ilay
SERVICE ANTI-GANG – ANDIAN-JIOLAHY MITAM-BASY SAIKA HANAO FANAFIHANA TETSY ANOSIZATO : 03 LAHY LAVON’ NY BALAN’NY POLISY
Hampiasa ny heriny hatrany ny Polisim-pirenena ary tsy hitsitsy manoloana ireo andian-jiolahy mitondra fitaovam-piadiana vonona handroba sy hamono ny vahoaka Malagasy. Toy izany ny nahazo ireto olon-dratsy nitondra basy ireto raha saika hanafika mpivaro-kena iray tetsy amin’ny fasan’ny karana omaly
FILAZANA FIKAROHANA
Iangaviana izay mahita na mahalala ny misy ity vehivavy miseho sary ity mba hampandre haingana ny SERVICE CENTRAL DES AFFAIRES RESERVEES PRES DIRECTION DE LA POLICE ECONOMIQUE ANOSY (DPE) na hiantso ny laharana : 034 43 986 45 034 99
TAOM- PAMBOLEN-KAZO 2021 : POLISIM-PIRENENA MIARO NY TONTOLO IAINANA
« Izay mamboly hazo manavotra firenena, izay mandoro ala mandoro tanindrazana ». Io no teny filamatra ho an’ny taom-pambolen-kazo 2021 izay nosokafan’ny Filoham-pirenena tamin’ny fomba ofisialy tao Tolagnaro ny 19 janoary lasa teo. Ho fanatanterahana ny vina izay napetraky ny fitondram-panjakana amin’ny
FISONDROTANA GALONA EO ANIVON’NY POLISIM-PIRENENA : MIISA 21 IREO POLISY NAHAZO IZANY
Araka ny fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny filan-kevitrin’ ny governemanta ny faha 06 janoary 2021 lasa teo dia manam-boninahitra ho Polisy miisa 21 no nahazo fisondrotana galona : Ny 02 tamin’izany dia nampiakarina ho eo amin’ny gradin’ny Contrôleur Général de Police,
DEUXIEME COMPAGNIE URBAINE D’INTERVENTION : ANDIAM-BEHIVAVY MANGAROM-PAOSY SY MANENDAKA AO AN-TSENAN’NY MAHAMASINA TRA-TEHAKY NY POLISY
Alakamisy ny andro ka maro ny olona no mamonjy ny tsenan’ny Mahamasina androany. Ireto Andiam-behivavy ireto dia isany namonjy izany ka manao andiany ary mitsofoka any anaty tsena miaraka amin’ireo mpiantsena. Mitondra zava-maranitra izy ireo ka ny sasany mody mitakisina
BC4 – FANAFIHAN-JIOLAHY : TRA-TEHAKY NY POLISY IREO JIOLAHY NANAFIKA SY NAMONO ILAY TOMPON-TRANO TETSY TANJOMBATO
Notsatohan’ireto jiolahy Antsy ny fon’ilay Lehilahy tompon-trano ka maty teo noho eo ity farany, vita izay dia nalain’ireto jiolahy ny vola tao an-trano. Nisy nahatsikaritra io fanafihana io ka avy dia niantso Polisy ny olona. Vetivety dia Tonga ny Polisy
CSP3 – FANENDAHANA AN’ELAKELANTRANO ENY AMIN’NY FARITRA ANKADIFOTSY : TRA-TEHAKY NY POLISY IREO TOVOLAHY MIARAKA AMIN’NY ANTSY LAVA MPANAO IZANY
Taorian’ny fisafoana nataon’ny Polisy ny boriborintany fahatelo amin’ny alina teny an’elakelatranon’ Ankadifotsy sy ny manodidina dia nifanena tamin’ny Polisy ity Tovolahy nitondra Antsy lava ity saika hanendaka ireo olona mody Alina amin’iny faritra iny. Nambarany fa tsy izy irery no