FISOROHANA NY LOZAM-PIFAMOIVOIZANA SY FIPARITAHAN’NY ARETINA COVID-19 : HENTITRA NY POLISY AMIN’NY FAMPANARAHAN-DALANA
Mitohy hatrany ny fitsirihana ataon’ny Polisim-pirenena ho an’ ireo mpampiasa lalana ho fiarovana azy ireo amin’ny lozam-pifamoivoizana mety hiseho ary koa amin’ny fiparitahan’ilay valan’aretina covid-19.
FIARA TAXIBE :
Averina hatrany fa ny fiara fitateram-bahoaka no tokony ho sarotiny amin’ny fanajana ny fitsipika fisorohana ny valan’aretina covid-19 ankoatra ny fanajana ireo mpandeha ao aminy. Ho an’ny Polisin’ny boriborintany fahatelo dia miisa 47 ireo taxibe voasakana ary 06 ireo mpandeha tsy nanao arovava-orona. Tao ihany koa ireo resevera tsy nanao « visière sy tsy nanana gel. Navoaka ny fiara ary nomena asa iombonana avokoa moa ireo mpandeha tsy nanao arovava-orona sy resevera tsy nanara-dalàna ireo.
Moto :
Miisa 24 ihany koa ireo moto tratran’ny Polisy tsy manara-dalàna. 17 no tsy nanao aroloha raha 07 kosa ireo manana jiro tsy tomombana rehefa mandeha amin’ny alina.
Fiara :
Fiara miisa 21 no tratran’ny Polisy tsy tomombana ny jirony rehefa mandeha amin’ny Alina . 17 tamin’izy ireo no nahavita nanamboatra ny azy teo noho eo ary afaka nandeha
Ho fitsinjovana antsika rehetra amin’ny loza sy aretina ny asa ataon’ny Polisy toy izao ka hotohizana hatrany izany