FIP ANTANIMORA – ZAZAVAVIKELY VERY : HITAN’NY POLISY TETSY AMBODIMANGA BESARETY
?? Akory ny hafalian’ny renin’ilay zazavavy kely 04 taona rehefa tonga nanatitra ny zanany tao an-trano ny Polisy . Efa nitady azy hatraiza mantsy ity reniny saingy tsy nahita ilay zaza ary izao hitan’ny mpitandro ny filaminana izao.
? Polisy manao fisafoana amin’ny hariva no nahita ity zazavavy kely ity nitomany irery teny amin’ny arrêt bus Ambodimanga Besarety . Nanatona azy ireo Polisy ary nilaza fa very izy.
Notambatambazin’ireo Polisy ilay zaza ary nampian’izy ireo amin’ny fitadiavana ny tranony. Tadidin’ity zaza ihany ny lalana mody any aminy ary tonga tao amin’ny trano fonenany ihany izy.
FIP ANTANIMORA – ZAZAVAVIKELY VERY : HITAN’NY POLISY TETSY AMBODIMANGA BESARETY