✅ Tantsaha nitondra entana vao maraina mandalo eny Namontana no saika notrobaran’ity lehilahy ny antsy be . Polisy manao fisafoana no sady manao fanamiana sivily no nahita ilay tranga ary voatery nitifitra ity olon-dratsy .
? Lavo teo no ho eo ilay jiolahy , avotra kosa ny ain’ilay tantsaha. Mbola tratra teny amin’ilay olon-dratsy ny antsy lava lela sy ny fanafody gasy tany anaty akanjony.