?️Moto iray, « Racing King » miloko fotsy no tra-tehaky ny Polisy miasa ao amin’ny Compagnie Urbaine d’intervention tokony ho tamin’ny 03 ora maraina tetsy Namontana tetezana akaikin’Ankadim-bahoaka.
?♂️?Tovolahy miisa 04 kaodikaody, manosika moto iray no tsikaritr’ireto Polisy manao fisafoana avy lavitra; vantany vao hitan’ireto jiolahy ireto farany dia vaky nandositra izy ireo ary navelany teo ny moto sy ny fitaovana nanapitsohany izany. Hita fa efa nosokirina ny lakileny ary simba ilay hidiny.
✅Manao antso avo ny Commandant de la Compagnie Urbaine ho an’ilay tompona moto very mba ho tonga eny amin’ny Commissariat Central Tsaralalana miaraka amin’ny taratasy fanamarinana izany.