MINISITERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA : HITOHY NY FIARAHA-MIASA AMIN’NY FIRENENA SINOA

✅️ Nitsidika ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala, tao amin’ny biraony ny Ambasadaoro Sinoa miasa eto Madagasikara SEM JI PING ny zoma 10 mey 2024.
👉 Niompana tamin’ny fanohizana ny fiaraha-miasa nisy teo amin’ny roa tonta no votoatin’ity fitsidihana ity. Efa nisy hatrany ny fiaraha-miasa niarahana tamin’ny firenena Sinoa teo amin’ny lafiny fampitaovana, fizarana traikefa sy fampiofanana ireo 👮🇲🇬 Polisy malagasy.
🤝 Ho tohizana amin’ny lafiny rehetra izany fa indrindra amin’ny resaka fahaizamanao ilain’ny 👮🇲🇬 Polisimpirenena entina hitandroana ny filaminana.

MINISITERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA : HITOHY NY FIARAHA-MIASA AMIN’NY FIRENENA SINOA

Vous pourrez aussi aimer