PAF IVATO : NANOME TOROMARIKA HOAN’IREO POLISY MIASA AO AMIN’NY SERANAM-PIARAMANIDINA IVATO NY MINISITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA

🔵🛬✈️ Nidina ifotony teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala , androany 11 mey 2024.
👮🏻‍♂️🚨 Tao aorian’ireo fitarainana hita teto amin’ny tambazotran-tserasera mahakasika ny trangana tsy fanarahan-dalàna dia nampahatsiahy an’ireo Polisy miasa ao amin’ity sampan-draharaha ity ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka mba hanaovan’izy ireo ny asany araka ny hitsiny sy ny lalàna ary ny fitsipika mifehy ny asan’izy ireo.
📣 👉 Nambarany hatrany fa ny antom-pisian’ny Polisy dia ny hanampy vahoaka sy hitondra ny vahaolana amin’ireo mila izany araka ny teny aina hoe : « Polisy, miaro sy manampy ny vahoaka ».
⚖️💡 Hisy ny fepetra ho raisina amin’ireo izay minia mihoa-pefy ary hanaovana fanadihadiana manokana izay tratra manao izany . Handray andraikitra manokana momba ireo Polisy tsy mahafa-po na ratsy fitondran-tena ny Minisitera .
🚫🚫 Tsy hisy famindram-po ho an’ireo izay tratra ary hampiharina ny sazy henjana hoy ny Minisitra .
📣📢Ho an’ny olompirenena rehetra dia iangaviana mba hanaraka ireo toromarika handaminana sy hampirindrana io sampan-draharaha io.
👉📱Raha misy manana fanamarihana na mangataka fanazavana fanampiny momban’ny tolotra omen’ny sampan-draharahan’ny PAF dia antsoy 📱 038 14 495 82.

PAF IVATO : NANOME TOROMARIKA HOAN’IREO POLISY MIASA AO AMIN’NY SERANAM-PIARAMANIDINA IVATO NY MINISITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA

Vous pourrez aussi aimer