MINISITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA: NIDINA IFOTONY TANY AMIN’NY FARITRA VAKINANKARATRA AMIN’NY MAHA MINISITRA MPIAHY AZY

✅️ Nitsidika ny faritra Vakinankaratra ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala ny alarobia 15 mey 2024.
👉 Nifanindry an-dalana tamin’ny fitsidihana nataon’ny Filoham-pirenena, SEM Andry Nirina Rajoelina, tao Vakinankaratra moa ity fitsidihana ity.
🤝 Nisy ny fanomezana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro sy ny fanolorana ny CSBII vaovao ary fizarana karatany izay tetikasam-panjakana avokoa tao Andohafarihy Antanifotsy. Nitohy tany Mandoto sy Manandona kosa ny fitsidihana.
✅️ Ankoatran’ny fanotronan’ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka ny Filoham-pirenena dia ny fijerena akaiky ny olana amin’ny lafiny tsy fandriampahalemana no anton’ity fitsidihana ity amin’ny maha Minisitra mpiahy ny faritra Vakinankaratra azy.
👉👉 Araka izany dia hisy ny dinik’asa hiarahany amin’ireo sampan-draharaham-panjakana sy ny mpisehatra amin’ny fandriam-pahalemana ao an-toerana ny anio alakamisy 16 may 2024.

MINISITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA: NIDINA IFOTONY TANY AMIN’NY FARITRA VAKINANKARATRA AMIN’NY MAHA MINISITRA MPIAHY AZY

Vous pourrez aussi aimer