NITOHY TAO VINANINKARENA SY ANTSIRABE NY FIDINANA IFOTONY NATAON’NY MINISITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA
Tao amin’ny Kaominina Vinaninkarena Tsaratanana no nanohizan’ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala ny fitsidihana ny Faritra Vakinankaratra ny alakamisy 16 mey 2024.
👉 Amin’ny maha Minisitra mpiahy ny faritra Vakinankaratra azy dia nanotrona ny Filoham-pirenena ny tenany tamin’ny fanolorana ny ivotoeram-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny 🌞masoandro ao Vinaninkarena . Teo ihany koa ny fanolorana 🏘 ny efitrano fatoriana vaovao hoan’ny Oniversitean’ny Faritra Vakinankaratra.
🤝👮Nihaona mivantana tamin’ireo lehibena sampan-draharahan’ny Polisimpirenena ao Antsirabe ihany koa ny Minisitra. Nodinihina ny hanatsarana ny fomba fiasa mba ahafahan’ny mponina miaina ao anaty fandriampahalemana maharitra.