FANKALAZANA NY FETIN’NY FAHALEOVANTENA: HO HAMAFISINA NY FIARAHA-MIASA AMIN’IREO HAINO AMAN-JERY

✅️ Natao tetsy amin’ny Cercle Mess Soanierana ny marainan’ny zoma 31 mey 2024 ny atrikasa teo amin’ny Minisiteran’ny Foloalindahy , ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, ny Minisitera Delegue misahana ny Zandarimaria sy ireo tompona orinasan-tserasera ary ireo mpanao gazety eto an-drenivohitra.
👉 Nodinihina ny mahakasika ny fiaraha-miasa eo amin’ny lafiny ara-tserasera mandritra ny fankalazana. Teboka maro araka izany no nifanakalozana hevitra toy ny ny fomba fampitàna vaovao sy ny fahafahan’ny vahoaka manaraka ireo hetsika rehetra amin’ny haino aman-jery.
👮👮👮 Nanatrika ny atrikasa teny an-toerana ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Delphin, ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala, ny Minisitra Delege misahana ny Zandarmariam-pirenena, ny Jeneraly RAKOTONDRAZAKA Andriantsarafara Andriamitovy .

FANKALAZANA NY FETIN’NY FAHALEOVANTENA: HO HAMAFISINA NY FIARAHA-MIASA AMIN’IREO HAINO AMAN-JERY

Vous pourrez aussi aimer