MINISITERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA: NY CONTROLEUR GENERAL DE POLICE RANDRIAMBELO MANDIMBIN’NY AINA MBOLANORO NO SEKRETERA JENERALY VAOVAO

✅️ Tontosa ny zoma 31 mey 2024 tetsy amin’ny toby RAZAFINDRAZAKA Berthin eny Antanimora ny fifamindram-pitantanana teo anivon’ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka,
👉 Araka izany dia ny Contrôleur Général de Police RANDRIAMBELO MANDIMBIN’NY Aina Mbolanoro no Sekretra Jeneralin’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka vaovao izay nisolo toerana ny Contrôleur Général de Police RAKOTONDRAVELO Herilanto Iangotiana.
📣📢 Nisaotra ireo mpiara-miasa tamin’ny asa vita sy ny fifanampiana nandritra ny fotoana nitantanany ny Sekretera Jeneraly teo aloha. Nitsodrano ny Sekretera Jeneraly vaovao ny tenany mba hahefa be amin’ny adidy miandry azy.
📢 Nanambara ny Sekretera Jeneraly vaovao fa vonona hanome ny tsara indrindra ho tombotsoa ambony ny Polisimpirenena. Nisaotra ny fitondram-panjakana sy ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka izy tamin’ny fitokisana napetraka taminy. Nanentana ny Polisy rehetra izy hifanome tanana aminy mba hahafahana manatratra ny tanjona.
📣 Niarahaba ny Sekretera Jeneraly vaovao ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala. Nisaotra ny teo aloha ihany koa izy tamin’ny ezaka vita nandritra ny fitantanany. Nitsodrano ny Sekretera Jeneraly vaovao ny Minisitra mba hahatontosa amin’ny antsakany sy andavany ny adidy napetraka aminy.
📢👮 Nanafatra ny Polisy rehetra ny Minisitra mba hanana toe-tsaina mendrika sy ho modely eny anivon’ny fiarahamonina . Nanentana hoan’ny firaisankina izy mba hanatratrarana ny teny ainan’ny Minisitera hoe: « Polisimpirenena miaro sy manampy ny vahoaka ».

MINISITERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA: NY CONTROLEUR GENERAL DE POLICE RANDRIAMBELO MANDIMBIN’NY AINA MBOLANORO NO SEKRETERA JENERALY VAOVAO

Vous pourrez aussi aimer