MINISITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA : NISAOTRA IREO POLISY TAMIN’NY FITANDROANA NY FILAMINANA NANDRITRA NY FIFIDIANANA SOLOMBAVAMBAHOAKA

✅️ Nitsidika ireo polisy miasa eto an-drenivohitra ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy ny marainan’ny alatsinainy 03 jona 2024.
📢 Tamin’izany no nisaorany ireo polisy rehetra izay niasa sy nitandro filaminana nandritra ny fifidianana solombavambahoaka teo. Nilamina hoy izy ny fizotry ny fifidianana amin’ny ankapobeny vokatry ny fanolorantenan’ny mpitandro filaminana. Mbola mitohy ny fanatanterahana ny adidy sy andraikitra hoy ny Minisitra indrindra amin’izao ankatoky ny 🇲🇬 fetin’ny fahaleovantena izao.
👮👮 Nandritra ity fitsidihana ity ihany koa no nampahafantarany ireo Staff vaovao eto anivon’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka.Tetsy amin’ny Toby RAZAFINDRAZAKA Berthin Antanimora, Kaomisaria Foibe Tsaralalàna sy tetsy Anosy moa no nanatanterahany izao fidinana izao.

MINISITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA : NISAOTRA IREO POLISY TAMIN’NY FITANDROANA NY FILAMINANA NANDRITRA NY FIFIDIANANA SOLOMBAVAMBAHOAKA

Vous pourrez aussi aimer