NOSOKAFANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY TETSY AMIN’NY PARVIS ANALAKELY NY FANKALAZANA NY FETIN’NY FAHALEOVANTENA

✅️ Notontosaina tetsy amin’ny parvis Analakely ny zoma 07 jona 2024 ny fanokafana ny fankalazana ny faha 64 taona ny nahazoana ny fahaleovantena sy ny nitsanganan’ny foloalindahy.
👉 Tonga nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta , Andriamatoa Christian NTSAY.👮👮 Nanome voninahitra izany teny an-toerana ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Delphin, ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala sy ny Minisitra delege misahana ny Zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly Andriatsarafara Andriamitovy RAKOTONDRAZAKA .
📣 « Madagasikara mandroso, malagasy miara mientana amin’ny fitiavan-tanindrazana  » io no lohahevitra tamin’ity taona ity. Nisy ny fampirantiana ao amin’ny efitrano malalaky ny Lapan’ny Tanàna izay mampiseho ny tantaran’ireo hery fiarovana sy filaminana misy eto amin’ny firenena sy ny tantaran’i Madagasikara.

NOSOKAFANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY TETSY AMIN’NY PARVIS ANALAKELY NY FANKALAZANA NY FETIN’NY FAHALEOVANTENA

Vous pourrez aussi aimer