KERIMESIN’NY HERY FIAROVANA SY FILAMINANA ETSY BETONGOLO: NOSOKAFANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY HETSIKA

Nanomboka ny talata 18 jona 2024 etsy amin’ny Kianja Betongolo ny kerimesy karakarain’ireo hery fiarovana sy filaminana.
🎉🎉 Kilalao maro samihafa, 🌮🍟sakafo isan-karazany sy fampiratiana no mandravaka ireo tranoeva eny an-toerana. Haharitra valo andro ny hetsika ka hifarana ny 25 jona hoavy izao.
🇲🇬🎉 Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena ny kerimesy toy izao. Nisy ny fampisehoana fahaizamanao nataon’ireo vondron-kery telotonta izay miompana amin’ny paikady fisamborana jiolahy.
👉👉 Nanokatra ny fotoana ny Minisitry ny Foloalondahy, ny Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Delphin, ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala sy ny Minisitra delege misahana ny Zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly Andriatsarafara Andriamitovy RAKOTONDRAZAKA ary ny Minisitry ny Asa Vaventy , ny Kolonely ANDRIANATREHINA Ndriamihaja Livah.
🇲🇬 »Madagasikara mandroso, Malagasy miara mientana amin’ny fitiavan-tanindrazana  »

KERIMESIN’NY HERY FIAROVANA SY FILAMINANA ETSY BETONGOLO: NOSOKAFANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY HETSIKA

Vous pourrez aussi aimer