DRFC – NAHAZO FIOFANANA IREO MPIASA EO ANIVON’NY SAMPANDRAHARAHA MISAHANA NY PASIPAORO

✅️ Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Alatsinainy 17 Jona 2024 ny fanomezana fiofanana momba ny fampiasana ny Rindrankajy na « Logiciel » ho an’ireo Polisy miasa amin’ny Sampandraharaha pasipaoro.
📋👍Mihatsara hatrany ny tolotra omen’ity Sampandraharaha ity satria nahazo izao fiofanana izao hahafahana manatsara ny fandraisana ireo fangatahana an’habaka na « en ligne .
📚👮 Ny Fitaleavana misahana ny Fiofanana sy ny Fikarohana Mitohy (DRFC) no angady sy vy nahitana izao fiofanana izao ka niarahana tamin’ny Fitaleavana misahana ny fanarahamaso ny fifindra-monina (DCM) ary ny Fitaleavana misahana ny Fifandraisan-davitra (DSIT).
👮👮 Miisa 45 ireo polisy misitraka ny fiofanana ka ny 17 jona sy 18 Jona 2024 ny andiany voalohany, ny 19 Jona sy ny 20 Jona ny faharoa, ary ny 27 Jona sy ny 28 jona no farany.

DRFC – NAHAZO FIOFANANA IREO MPIASA EO ANIVON’NY SAMPANDRAHARAHA MISAHANA NY PASIPAORO

Vous pourrez aussi aimer