DRSP DIANA/ CC ANTSIRANANA NATAO TANY ANTSIRANANA NY DINIKA MANOKANA MOMBA NY ADY AMIN’NY FIONDRANANA ANTSOKOSOKO ANY MAYOTTE SY NY FANONDRANANA TSY ARA-DALANA NY DINGADINGANA

✅️ Namory ireo tomponandraikitra sy mpisehatra amin’ny fiarovana ny sisintany sy ny fitandroana ny filaminana ao Antsiranana ny Praiminisitra , NTSAY Christian ny 26 jolay 2024 teo . 👉 Nodinihina manokana ny momba ny trangana fiondranana antsokosoko atsy amin’ny nosy

ANDRO AFRIKANINA HIADIANA AMIN’NY KOLIKOLY : NANDRAY ANJARA TAMIN’NY HETSIKA NY MINISITERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA

✅️ Antoka iray lehibe hiadiana amin’ny kolikoly ny fiarovana ireo mpisintona lakolosy. Izany no hevi-dehibe nivoitra nandritra ny fankalazana ny andro afrikanina hiadiana amin’ny kolikoly tetsy amin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny androany 11 jolay 2024. ✅️ Nandray anjara tamin’izany ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka

FIARAHAMIASA EO AMIN’NY HERY FIAROVANA SY FILAMINANA : NANOLOTRA FITAOVAM-PIADIANA HO AN’NY POLISIMPIRENENA NY MINISITERAN’NY FOLOALINDAHY

✅️ Mampiseho hatrany ny firahalahiana eo amin’ny samy mpitandro filaminana ireo hery fiarovana sy filaminana . 🤝 Porofon’izany dia nanolotra fitaovam-piadiana ho an’ny Polisimpirenena malagasy tao amin’ny Toby RAZAFINDRAZAKA Berthin tetsy Antanimora ny Minisiteran’ny Foloalindahy ny marainan’ny alarobia 03 jolay

MINISITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA: NANAO VALAN-DRESAKA MOMBAN’NY VOKATRA LEHIBE MIISA TELO SOSONA AZON’NY POLISIMPIRENENA

✅️ Teboka telo no nivohitra nandritra ny valan-dresaka nataon’i Minisitry ny Filaminam-bahoaka , ny Contrôleur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala, io maraina io tetsy amin’ny Toby RAZAFINDRAZAKA Berthin . 👉 Ravan’ny Polisimpirenena tamin’ny alalan’ny fiarahamiasa nisy teo amin’ny Brigade Criminelle,