DRFC – DSIT- FANATSARANA NY ASAN’NY POLISIMPIRENENA : NAHAZO FIOFANANA MAHAKASIKA NY FIKIRAKIRANA TRANONKALA IREO POLISY

✅️Tsy mitsahatra manatsara ny fahaiza- manaon’ ny Polisy ny eto anivon’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka.
👉 Fiofanana momba ny fikirakirana tranonkala indray no nomena ireo Polisy miisa 19 avy amin’ny DRFC, DENSP sy DENIAP ny talata 02 jolay 2024.
👮Tanjona ny hanetsehana ireo tranonkala ampiasain’ireo Fitaleavana ireo sy hampitombo ny traikefa ananan’ireo Polisy. 🤝 Fiarahamiasa eo amin’ny samy fitaleavana ato amin’ny Polisimpirenena moa no nahafahana nisitraka ity fampiofanana ity ka ny Fitaleavana misahana ny Fikarohana sy ny Fiofanana mitohy ary ny Fitaleavana misahana ny Fifandraisan-davitra DSIT no angady nananana sy vy nahitana izany.

DRFC – DSIT- FANATSARANA NY ASAN’NY POLISIMPIRENENA : NAHAZO FIOFANANA MAHAKASIKA NY FIKIRAKIRANA TRANONKALA IREO POLISY

Vous pourrez aussi aimer