✅️ Mampiseho hatrany ny firahalahiana eo amin’ny samy mpitandro filaminana ireo hery fiarovana sy filaminana .
🤝 Porofon’izany dia nanolotra fitaovam-piadiana ho an’ny Polisimpirenena malagasy tao amin’ny Toby RAZAFINDRAZAKA Berthin tetsy Antanimora ny Minisiteran’ny Foloalindahy ny marainan’ny alarobia 03 jolay 2024.
👮 Nankasitraka izao fihetsika izao ary nitondra ny teny fisaorana avy amin’ny fianakaviamben’ny Polisimpirenena ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka , ny Contrôleur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala.Mampiseho ny fitoviam-pijery eo amin’ny samy mpitandro filaminana izao hoy izy. Hanampy ny Polisy amin’ny ady amin’ ny asan-jiolahy sy hanabe voho ny asa fitandroana filaminana ireto fitaovana ireto hoy hatrany ny Minisitra.
📢 Nanambara ny Minisitry ny Foloalidahy, ny Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Delphin fa endrika misongadina hatrany no nanehoan’ny mpitandro filaminana ny fiarahamiasa. Hitohy hatrany izany satria iray ihany ny tanjona amin’ny fametrahana fandriampahalemana maharitra araka ny vinan’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika , SEM Andry Nirina Rajoelina.
✅️ Nanome voninahitra ny lanonana ireo lehibe mpitarika eo anivon’ny Minisiteran’ny Foloalindahy sy ny mpitantana ato amin’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka.

FIARAHAMIASA EO AMIN’NY HERY FIAROVANA SY FILAMINANA : NANOLOTRA FITAOVAM-PIADIANA HO AN’NY POLISIMPIRENENA NY MINISITERAN’NY FOLOALINDAHY

Vous pourrez aussi aimer