✅️ Teboka telo no nivohitra nandritra ny valan-dresaka nataon’i Minisitry ny Filaminam-bahoaka , ny Contrôleur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala, io maraina io tetsy amin’ny Toby RAZAFINDRAZAKA Berthin .
👉 Ravan’ny Polisimpirenena tamin’ny alalan’ny fiarahamiasa nisy teo amin’ny Brigade Criminelle, ny SAG, ny Kaomisarian’Ambatondrazaka, ny Kaomisarian’Amparafaravola sy ny FIP ny tambazotran-jiolahy mpanao fakàna an-keriny tany Ambodirano, Amparafaravola.
🚫 Jiolahy miisa roa antsoina hoe Bilo sy Karata izay nandray anjara mivantana tamin’izany no lavon’ny Polisy tao amin’ny Fkt Moratelo, Kaominina Ambodirano ny 01 jolay 2024 teo. Nikasa ny handositra izy ireo ka voatery nampiasa hery ny Polisy. Hita ihany koa ny kizon’ny Beparasy izay toerana fiaren’ ireo jiolahy sy fanafenan’izy ireo ny fitaovam-piadiana ampiasainy. Vokany, basy miisa 06 sy bala maro ary ody gasy no tra-tehaka tao amin’io kizon’ny Beparasy io ao amin’ny FKT sy Kaominina Marotsipohy, Distrikan’Anjozorobe io . Voasambotra tany Ambatondrazaka ihany koa i « Zetra » izay atidoha nikotroka io fakàna an-keriny io.
✅️ Mahakasika ny heloka anabaka kosa dia roa lahy no voasambotry ny Polisin’ny Cybercriminalité ny volana mey teo noho ny resaka fisandohana andraikitra sy fisolokiana. Mampiasa anarana mpikambana ao amin’ny Governemanta izy ireo ao amin’ny tambazotran-tserasera ka mitaky vola sy misoloky olona. Nahomby ny vela-pandrika nataon’ny Polisy ka voasambotra tany Mahajanga ireto farany ary naiditra am-ponja .
✅️ Vokatry ny fiarahamiasa teo amin’ny Polisimpirenena sy ny vahoaka dia voasambotry ny Kaomisaria Itaosy androany 03 jolay 2024 ilay lehilahy 46 taona mpangarom- paosy anaty fiara fitateram-bahoaka tamin’ny zotra 119 zay nahazoana fitarainana teto anivon’ny tambazotran-tserasera. Nidoboka am-ponja vonjimaika ity lehilahy ity.

MINISITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA: NANAO VALAN-DRESAKA MOMBAN’NY VOKATRA LEHIBE MIISA TELO SOSONA AZON’NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer