✅️ Hifanome tanana hatrany amin’ny fitandroana ny filaminana eny amin’ny Akamasoa ny Polisimpirenena.
🤝 Nivoitra io nandritra ny dinika nifanaovan’ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala sy i Père Pedro androany 07 jolay 2024. Nanamafy ny Minisitra amin’ny fahavononan’ny Polisimpirenena hiara-misalahy amin’ny tompon’andraikitra eny mba hampitomboana hatrany ny fandriam-pahalemana, hiadiana amin’ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny herisetra isankarazany.
✅️ Naneho ny hafaliany i Père Pedro amin’izao fidinana ifotony izao ary nilaza ny fanantenany ny amin’ny hisian’ny fandraisana andraikitra bebe kokoa avy amin’ny mpitandro ny filaminana.
👮 Nitohy tamin’ny fijerena ifotony ireo Postes de Police Andralanitra sy Manantenasoa moa ny fitsidihana nataon’ny Minisitra.
Tamin’izany no nanomezany toromarika ny hanatsarana ny fomba fiasa indrindra amin’ny fanatonana bebe kokoa ny mponina eny an-toerana.

MINISITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA: HIJERY AKAIKY NY HANATSARANA NY FITANDROANA NY FILAMINANA ENY AMIN’NY AKAMASOA ANDRALANITRA SY NY MANODIDINA

Vous pourrez aussi aimer