✅️ Ity fifanaovan-tsonia ity no mariky ny fiandohan’ny fiarahamiasa eo amin’ny roa tonta amin’ny famoahana ny kara-pamantarana ho an’ny tantsambo malagasy na ny  » Pièce d’Identité des gens de Mer » na PIM.
👉 Tanjona napetraka hoy ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro, Andriamatoa MANAMBAHOAKA RAMONJAVELO Valery, ny hampiroboroboana ny asa an-tsambo eto Madagasikara ka isany dingana lehibe amin’izany ny famoahana ity kara-pamantarana ity.
📢 Nanambara ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala fa nanao dingana lehibe ny fitondram-panjakana hamahana ny olan’ireo tantsambo . Hanamora ny asan’ny Polisy ihany koa ny fisian’ny PIM indrindra amin’ny fanarahamaso ny sisintany .
✅️ Nanotrona ity fotoana ity ireo mpitarika sy mpiara miasa akaiky amin’ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka ary ireo tomponandraikitra avy amin’ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetr’andro.

FAMOAHANA NY KARA-PAMANTARANA HO AN’IREO TANTSAMBO MALAGASY: TONTOSA NY FIFANAOVAN-TSONIA TEO AMIN’NY POLISIMPIRENENA SY NY APMF

Vous pourrez aussi aimer