✅️ Nifarana ny alahady 18 aogositra 2024 teo tany Antsirabe ny ASIEF. Mpiasam-panjakana maro no nandray anjara ka anisan’izany ny avy ato amin’ny Polisimpirenena malagasy.
👮🏃🏃 Nisongandina ireo polisy nifaninana tamin’ity taona ity satria dia misy ireo 🏅medaly sy 🏆amboara azo.
⛹️‍♂️⛹️‍♀️Teo amin’ny taranja basketball sokajy mixte ohatra dia norombahan’ny dePolisy avokoa ny 🏆 amboara na teo amin’ny sokajy vétéran izany na ny teo amin’ny sokajy tanora.
Teo amin’ny 🏃🏃atletisma kosa dia 🏅medaly miisa 06 no azo ka ny efatra amin’ireo dia volamena avokoa raha medaly volafotsy sy alimo ny roa ambiny.
⚽️Teo amin’ny taranja baolina kitra sokajy tanora dia nanao lalao famaranana ny ekipan’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka ary nisalotra ny medaly volafotsy. Nijanona teo amin’ny ampahefa-dalàna ireo super vétéran sy véteran raha teo amin’ny 1/8-dalana kosa ny COSPN Toamasina.
Teo amin’ny taranja tsipy kanetibe dia nifarana teo amin’ny ampahefa-dalana ny lalan’ireo atleta avy amin’ny MSP.
✅️ Mendrika ny vokatra amin’ny ankapobeny saingy araka ny namabaran’ny tompon’andraikitra dia hiezaka ny hanatsara ny zava-bita hatrany ireo atleta amin’ny fifaninana manaraka izay hatao amin’ny 2025 any Mahajanga.

ASIEF 2024 : NAHAZO VOKATRA NISONGADINA NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer