✅️ Ao anatin’ny fanamby napetraky ny Filohan’ny Repoblika , SEM ANDRY RAJOELINA ny fametrahana fandriampahalemana maharitra mba hisian’ny fampandrosoana eto amin’ny firenena. Izany indrindra no nametrahany fitokisana indray tamin’ny Contrôleur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala ka nahavoatendry azy ho Minisitry ny Filaminam-bahoaka indray.
✅️ Raha tsiahivina ny lalana nodiaviny dia efa nisahana andraikitra ambony teto anivon’ny Polisimpirenena izy. Nivoaka ho Commissaire de Police teny amin’ny Sekolim-pirenena Ambony ho an’ny Polisy- ENSP Ivato, tamin’ny Andiany ANTOKA, ny taona 2000 ny Minisitra.
🎓📃 Manana ny maripahaizana Maîtrise en Droit Privé teny amin’ny Oniversite an’Antananarivo sy ny Diplôme d’Etude Approfondie en Droit Public et Science Politique.
✅️ Manana traik’efa manokana amin’ny sehatry ny sécurité publique sy ny fanangonam-baovao na renseignements généraux.
🗓 Efa nisahana ny andraikitra maha-Directeur de la Repression des Infractions Economiques
et Financières et de la Sécurisation des Investissements.
🗓 Niantsoroka ihany koa ny andraikitry ny Directeur de la Sécurité Publique
🗓️ Ny naha-Directeur de la Lutte Contre la Corruption et de la Discipline no nampisehoany ny traikefa manokana momba ny ady amin’ny kolikoly.
✅️ Efa Directeur de la Recherche et de la Formation Continue talohan’ny nahavoatendry azy ho Minisitry ny Filaminam-bahoaka tamin’ny volana janoary 2024.
✅️ Hanohy ny asany avy hatrany araka izany ny Contrôleur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala.
Ny fianakaviamben’ny Polisimpirenena dia mirary soa azy sy ireo mpikambana ao amin’ny governemanta hahefa be amin’ny adidy lehibe nankinina amin’izy ireo.

MINISITERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA: MANOHY NY ASA MAHA MINISITRA AZY NY CONTROLEUR GENERAL DE POLICE RAKOTOARIMANANA HERILALA

Vous pourrez aussi aimer