✅️ Tontosa io maraina io tetsy Anosy ny fikaonan-doha teo amin’ireo tompon’andraikitra ambony manerana ny Nosy eto anivon’ny Polisimpirenena izay notarihin’i Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala. Nodinihina tamin’izany ireo toromarika stratejika hanatsarana ny fomba fiasa mba hahazoana vokatra tsara hatrany ho an’ny Polisimpirenena.
👉 Ireo toromarika ireo dia niainga hatrany tamin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana, ny Politika fanantaterahana izany sy ny Politika manokan’ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka mahakasika ny fametrahana fandriampahalemana maharitra. Teboka maro araka izany no nodinihina toy ny fanatsarana ny fifandraisana amin’ny vahoaka, ny fahaizana mandray olona, ny fiofanana eny anivon’ireo Sekoly ho an’ny Polisy sy ny fanofanana ireo polisy am-perinasa, ny ady amin’ny kolikoly, ny fitantanan-draharaha amin’ny ankapobeny, ny fitsirihana anatiny sy ireo andraikitra fototry ny Polisy mahakasika ny filaminam-bahoaka.
✅️ Samy nanome ny toromarika ho fanatsarana ny asa ireo Tale isan-tsokajiny ary nanolotra soso-kevitra mahakasika ny sehatra misy azy ireo avy.
📢 Nanamafy ny Minisitra fa zava-dehibe ny fanohizana ireo ezaka efa vita fa indrindra ny fikojakojana ireo singa izay antoky ny fahazoana vokatra tsara toy ny fijerena ny maha olona, ny fanajana ireo fitaovana eo am-pelatanana. Hamafisina hatrany ny fiarahamiasa hoy ny Minisitra, na ato anatiny izany na amin’ireo sampandraharaha hafa ivelan’ny Minisitera. Eo ihany koa ny ady amin’ny kolikoly izay laharam-pahamehana napetrany tamin’ny nandraisany ny fitantanana ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka.

NIARA NIKAON-DOHA IREO TOMPON’ANDRAIKITRA AMBONY MANERANA NY NOSY ETO ANIVON’NY POLISIMPIRENENA HANDRAFITRA NY TOROMARIKA STRATEJIKA HANATSARANA NY FOMBA FIASA

Vous pourrez aussi aimer