✅️ Andro lehibe ho an’ireo Agents de Police nivoaka tamin’ny Andiany AINA ity androany ity. Notontosaina tetsy amin’ny Toby CGP RAZAFINDRAZAKA Berthin Antanimora, androany alatsinainy 02 septambra 2024 ny lanonana fametrahana ny galona maha « Agent de Police de premier échelon » azy ireo.
👮Miisa 302 mianadahy izy ireo no nahazo izany galona izany ka ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala no nitarika ny lanona niaraka tamin’ireo mpiara-miasa akaiky aminy eto anivon’ny Minisitera.
✅️Nivoaka ny ENIAP ny taona 2022 izy ireo ary nahafeno ny fepetra hisitrahana izao fisondrotana galona izao.
📢 Nirary soa sy nanafatra azy ireo ny Minisitra mba ho modely hatrany na amin’ny asa izany na eny anivon’ny fiarahamonina ka ho tahafin’ireo zandry aty aoriana.

FISONDROTANA GALONA HO AN’NY ANDIANY AINA: MIISA 302 IZY IREO NO NISITRAKA IZANY

Vous pourrez aussi aimer