✅️ Noraisin’ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy ny Minisitry ny Fitsarana, Atoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis androany alarobia 04 septambra 2024.
✅️ Fanohizana sy fanamafisana ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny roa tonta no votoatin’ity fitsidihana ity. Samy mpisehatra amin’ny fampiharana ny lalàna ny Minisitera roa tonta ka zava-dehibe ny fihaonana toy izao ho antoky ny filaminana maharitra eto amin’ny firenena hoy ny Minisitry ny Fitsarana.
✅️ Zava-dehibe ho an’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka moa izao fitsidihana izao hoy ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka ka nanentanany ny mpiara-miasa mba hanohy hatrany izany ezaka izany.

HOHAMAFISINA NY FIARAHA-MIASA MISY EO AMIN’NY MINISITERAN’NY FITSARANA SY NY MINISITERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA

Vous pourrez aussi aimer