✅️ Kaominina roa ao anatin’ny Distrikan’Anjozorobe, Betatao sy Andranomisa no nanohizan’ireo tompon’andraikitra ambony amin’ny Fibaikoana eo anivon’ny EMMONAT ny fitsidihana nanaovana fanentanana amin’ny ady amin’ny fakana ankeriny. Mitarika izany ny Lehiben’ny EMMONAT, ny Jeneraly RAKOTOMALALA Andriatahina Jean Herbert Komandin’ny Zandarimariam-pirenena, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOZANANY Dany Maruis, Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena, ary ny Jeneraly DERAMASINJAKA Manantsoa Rakotoarivelo, Lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika.
✅️ Nisy ny fihaonana mivantana tamin’ireo mponina tao Betatao, ka nanaovana fanentanana amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eny ifotony, mba hisian’ny fifandraisana misimisy kokoa eo amin’ny mpitandro filaminana sy ny vahoaka. Tonga manome antoka ny vahoaka izy ireo fa tsy miraviravy tanana, ary vonona mandrakariva hiaro azy ireo mba ahafahany miatrika ny fiainana andavanandro am-pilaminana. Nitohy tao amin’ny Kaominina Andranomisa indray izy ireo taorian’izany, nitafa tamin’ny vahoaka ka tamin’ireo toerana nolalovana dia afaka naneho ny heviny hatrany ny rehetra, tao koa ireo nitondra fitarainana sy nandroso vahaolana.
✅️ Tsy ny mpitandro filaminana ihany no apetraka amin’ny Faritra mafana, fa zava-dehibe imasoan’ireo tompon’andraikitra ambony koa, ny fanohanana ara-tsaina. Tsy nohadinoin’ireo mponina ny nankahery ireo mpitandro filaminana eny an-kianja izay manao ny ainy tsy ho zavatra.

MITETY IREO KAOMININA ANATIN’NY DISTRIKAN’ANJOZOROBE MANAO FANENTANANA NY EMMONAT

Vous pourrez aussi aimer