✅️ Inspecteurs de Police miisa 220 sy Agents de Police miisa 997 avy amin’ny Andiany SANDRATRA no nahavita ny fiofanana teo anivon’ny ENIAP Antsirabe ka nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny zoma 20 septambra 2024.
✅️ Ahitana vehivavy miisa 167 ity Andiany ity ka ny 28 amin’ireo no nivoaka ho Inspecteurs de Police raha 139 kosa ny Agents de Police. Niditra ny Sekoly ny volana jolay sy aogositra 2023 moa izy ireo ary niofana nandritra ny herintaona.
🤝 Nitarika ny lanonana ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, Andriamatoa NTSAY Christian izay notronin’ireo solotena mpikambana ao amin’ny Governemanta toy ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Delphin, ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala, ny Minisitra Delege misahana ny Zandarimariam-pirenena, ny jeneraly RAKOTONDRAZAKA Andriatsarafara Andriamitovy. Nanome voninahitra ity lanonana ity ihany koa ny Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena misahana ny Faritry Fianarantsoa, Ramatoa FOMENDRAZA Haingo Elisette niaraka tamin’ireo solombavambahoaka maro sy ny Governoran’ny Faritra Vakinankaratra, Andriamatoa Vyvato RAKOTOVAO.
📢Manana adidy ianareo Polisy hoy Andriamatoa PRAIMINISITRA amin’ny fampandriana fahalemana an’i Madagasikara. Nitsodrano sy nirary soa ny Andiany ny tenany mba hahatanteraka amin’ny antsakany sy andavany ny asa ankinina amin’izy ireo.
📢 Nanentana ireto Polisy vaovao ireto ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala mba hitandro ny soatoavina maha polisy ka ho modely na amin’ny asa na eny anivon’ny fiarahamonina.
✅️ Nisy ihany koa ny fandraisana ireo efitrano vaovao miisa telo eo anivon’ny ENIAP izay avy amin’ny fitondram-panjakana tarihin’ ny SEM Andry Nirina RAJOELINA. Araka izany dia nahazo efitrano fatoriana vaovao izay mahazaka mpianatra miisa 500, efitrano fihinanana ary efitrano fianarana ny Sekoly. Porofo mivaingana izao hoy ny Minisitra amin’ny ezaka ataon’ny fanjakana ho fanatsarana ny fotodrafitrasa indrindra ho an’ireo hery fiarovana mba hisian’ny fandriampahalemana maharitra.

ENIAP ANTSIRABE: POLISY NAHAVITA FIOFANANA MIISA 1217 AVY AMIN’NY ANDIANY SANDRATRA HANATEVIN-DAHARANA NY FIANAKAVIAMBEN’NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer