✅️ Nofaranana androany maraina teo ny fankalazana ny faha 63 taonan’ny Polisimpirenena. Ho an’ny teto an-drenivohitra dia hazakazaka manodidina ny ranon’Anosy sy lalao ara-panatanjahantena tao amin’ny kianja annexe Barea no nanamarihana izany.
✅️ Polisy maro avy amin’ny sampandraharaha samihafa sy ireo rahalahy avy amin’ny hery fiarovana no nandray anjara tamin’ity hazakazaka ity. Nitarika ny hetsika ny Minisitry Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala izay notronin’ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Delphin. Porofon’ny fiarahamientana eo amin’ireo hery fiarovana sy filaminana izao hoy ny Minisitra.
📢 Nanamafy ny Minisitra fa azo ianteherana, azo ifampiresahana ary manana andraikitra lehibe amin’ny fanabeazana ny olom-pirenena hanara-dalàna anaty fanajana ny maha-olona mba hisian’ny fandriampahalemana sy ny filaminana amin’ny ankapobeny ny Polisimpirenena. Nanolotra fisaorana manokana sy mitafotafo ho an’ ny Fitondram-panjakana tarihin’Andriamatoa Filohampirenena sy ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta ihany koa ny tenany tamin’ny fanomezana alalana ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka hankalaza ity hetsika lehibe ity. 🤝Tsy adinony ny nisaotra ireo rahalahy sy anabavy mivondrona ao amin’ny Hery Fiarovana sy Filaminana ary ireo mpiara-miombon’antoka rehetra mijoro manohana mandrakariva ny Polisimpirenena.
⚽️🏀 Nisy ihany koa ny lalao ara-pirahalahiana teo amin’ny taranja basketball sy football izay nandraisan’ireo tomponandraikitra ato amin’ny Polisimpirenena anjara sy ireo Polisy vehivavy.

FANKALAZANA NY FAHA 63 TAONAN’NY POLISIMPIRENENA: HAZAKAZAKA SY FIHAONANA ARA-PANATANJAHANTENA NO NAMARANANA NY HETSIKA HO AN’NY ETO AN-DRENIVOHITRA

Vous pourrez aussi aimer