𝑳𝒂𝒑𝒂𝒏’𝒊 𝑴𝒂𝒉𝒂𝒛𝒐𝒂𝒓𝒊𝒗[𝒁𝒐𝒎𝒂, 𝒇𝒂𝒉𝒂-4 𝒐𝒌𝒕𝒐𝒃𝒓𝒂 2024]
✅Manamafy ny fametrahana ireo paikady mahomby hanatratrarana ny tanjona kendren’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana, sy hivoizana ny kolontsain’ny fandriampahalemana eto Madagasikara ny Vondron-kery telo lehibe misahana izany, dia ny Tafika Malagasy, ny Polisimpirenena ary ny Zandarmariam-pirenena. Notarihin’ny Praiminisitra NTSAY Christian teto Mahazoarivo androany, ny fivoriambe niarahana tamin’ireo tompon’andraikitra ambony rehetra eo anivon’ireo Minisitera manan-draharaha mivantana amin’ity fametrahana filaminana sy fandriampahalemana maharitra manerana ny Nosy ity. « Tsy misy fampandrosoana raha tsy misy ny filaminana », araka ny voalazan’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara Andry RAJOELINA ombieny ombieny. Araka izany, dia tsy maintsy hamafisina ireo fomba sy ezaka rehetra hampanjariana izany, hoy ny Praiminisitra.
✅Paikady sy teti-panorona ho an’ny taona 2024-2028 no mipetraka ankehitriny, hiasana sy hanomezana vokatra malaky, mipàka avy hatrany amin’ny fiainan’ny vahoaka ato anatin’ny 5 taona ho avy. Tanjona lehibe ny fanafoanana ny tsy fandriampahalemana an-tanàn-dehibe sy ny eny amin’ny tontolo ambanivohitra, ny fifindra-monina antsokosoko eto amintsika na koa any amin’ny Firenena manodidina, ny fanondranana antsokosoko ny harem-pirenena, ny fiparitahan’ny zavamahadomelina miteraka herisetra isan-karazany, ny fakana an-keriny, ny halatr’omby sy ny fanadiovana amin’ny fomba mamohehitra ny taratasin’omby.
👉🏻Ankoatr’izany, dia noresahina ny fiarovana ny sisin-tany sy ny fari-dranomasina, ny famahana ny olan’ny fananan-tany, ny famongorana ny fihanaky ny zavamahadomelina, ny fiomanana amin’ny tandindondoza sy ny loza voajanahary ary ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetrandro, ny fanaraha-maso ny fitrandrahana sy ny fanondranana ny harem-pirenena tsy nahazoana alalana, na an-tanety izany na an-dranomasina, ny fametrahana politika ara-pamaizana tsy misy indrafo eo anivon’ny fitsarana mahakasika ireo ambana goavana ireo.
👉🏻Toromarika hentitra maro no nomen’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, amin’ny fanatevenana ireo paikady hametrahana filaminana sy fandriampahalemana maharitra eto amin’ny tany sy ny Firenena, mba hisian’ny vokatra mivaingana ho tsapan’ny rehetra; ary koa ahafahana manatsara hatrany ny toekarena sy ny seha-pihariana, hampivoarana ny toe-piainan’ny sarababembahoaka.
➡️Farany, hiatrika dingana lehibe i Madagasikara amin’ny fifidianana kaominaly ho avy izao. Araka izany, dia ao anatin’ny fitoniana sy ny filaminana tanteraka no tokony hanatanterahana izany hoy ny Praiminisitra, mba hanajana ny zo sy ny safidin’ny olom-pirenena tsirairay hanefa ny adidiny.
🌀Nanatrika izao fivoriambe izao ny Ministry ny Foloalindahy, ny Mpitahiry ny tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, ny Minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy Fanajariana ny tany, ny Minisitry ny Atitany, ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Minisitra Delege misahana ny Zandarimariam-pirenena, ny Sekretera maharitra misahana ny Fiarovana sy ny Filaminam-pirenena avy eo anivon’ny Fiadidina ny Repoblika, sy ny Tale Jeneralin’ny Birao Nasionaly misahana ny loza sy ny tandindondoza, ary ireo manamboninahitra ambony avy eo anivon’ny Foloalindahy sy ny Polisimpirenena, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra ambony isan-tsokajiny avy eto anivon’ny Primatiora.
𝐍𝐲 𝐒𝐞𝐫𝐚𝐬𝐞𝐫𝐚

DCIM100MEDIADJI_0163.JPG

TSY MAINTSY MANJAKA ETO MADAGASIKARA NY FANDRIAMPAHAMEMANA

Vous pourrez aussi aimer