✅️ Ho fanatanterahana hatrany ny politikam-panjakana ankehitriny dia manohy ny ezaka amin’ny fanantonana ny vahoaka ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka. Io maraina io dia nidina ifotony teny Manjakaray ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy nihaino ny hetahetan’ny mponina eny amin’ny manodidina mahakasika ny tsy fandriampahalemana.
✅️ Nisy ny fihaonana tamin’ny Solombavambahoaka Naivo RAHOLIDININA izay nampita ny hetahetan’ny vahoaka, nangataka ny hanampiana ny isan’ny Kaomisaria eny an-toerana, ny fampitomboana ny fisafoana ataon’ny Polisy, ny fanatsarana ny fandraisana olona.
📢 Nanamarika moa ny Minisitra fa fitazonana ny ezaka efa natao no anisan’ny anaovana izao fidinana ifotony izao.
Efa nanatona nanakaiky ny mponina eny an-toerana ny Polisimpirenena hatramin’izay amin’ny alalan’ny fisafoana sy ny fisian’ireo Postes de Police ary manohy manatsara izany hatrany.
Azo ifampiresahana tsara hoy izy ny Polisimpirenena ka tsy tokony hisalasala hanatona azy ireo ny vahoaka.
Nisy moa ny fitsidihana ny Poste de Police izay misy eny Manjakaray.
✅️ Tsy nohadinoiny koa moa ny nanara-maso ny fitsinjarana ny rano teny amin’iny faritra iny.

MINISITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA TENY AMIN’NY BORIBORIN-TANY FAHADIMY: HOHATSARAINA HATRANY NY FIFANDRAISANA AMIN’NY VAHOAKA

Vous pourrez aussi aimer