✅️ Notoloran’ny Governemanta sinoa fitaovana ny Polisimpirenena malagasy izay ao amin’ny Sekolim-pirenena Ambony ho an’ny Polisy Ivato no nametrahana azy. Koa androany 20 oktobra 2024 dia nitsidika ny Sekoly izy ireo nijery ny hampiasana ireo fitaovana ireo.
✅️ Nisy ny fampitaovana ny laboratoara ara-pitsarana elektronika ka delegasiona avy amin’ny Minisiteran’ny Varotra Sinoa, notarihin’Atoa LIANG Haofei, Tale jeneraly lefitry ny Sampan-draharahan’ny Fitantanam-bola no nitsidika tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny ENSP Ivato androany. Nitarika ny delegasiona avy amin’ny Polisimpirenena kosa ny Tale Jeneraliny, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOZANANY Dany Marius.
✅️ Manana tanjona telo lehibe ity fitsidihana ity dia ny fanombanana ny vokatry ny tetik’asa fanampiana sinoa, ny fijerena ny toerana sy fitaovana napetraka, ary ny fifampidinihana momba ny fiaraha-miasa amin’ny ho avy.
✅️ Fitaovana toy ny famerenana angona, solotsaina, fitaovana iray ara-pitsarana ho an’ny toerana nanaovana fanadihadiana, rindrambaiko iray ho an’ny fanadihadiana no natolotr’izy ireo.
✅️ Natao hampitomboana ny fahafahamanaon’ny Polisimpirenena amin’ny fanadihadiana mba hahafahana miatrika amim-pahombiazana ny heloka bevava ireto fitaovana vaovao ireto. Hisy ny fampiofanana mandritra ny 15 andro atolotry ny manam-pahaizana sinoa mba hampianarana ireo mpiasa ao amin’ny Polisimpirenena hampiasa ireo fitaovana ireo.

FAMETRAHANA FITAOVANA AO AMIN’NY LABORATOARAM-PIKAROHANA SIANTIFIKA ELEKTRONIKA AO AMIN’NY ENSP IVATO: DINGANA VAOVAO HO AN’NY FIARAHA-MIASA SINOA-MALAGASY

Vous pourrez aussi aimer