✅️ Nosokafana omaly 28 oktobra 2024 tetsy amin’ny Fitaleavana misahana ny fikarohana sy fiofanana mitohy etsy Antanimora ny fampiofanana mahakasika ny ady amin’ny fampijaliana olona.
✅️ Tafiditra amin’ny fanohizana ny tetik’asa nosoniavin’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka sy ny APT na Association pour la Prévention de la Torture moa izao fampiofanana omena ny Polisy izao.
👉 Natao izao fiofanana izao mba hanatsarana ny fahaiza-manao eto anivon’ny Polisimpirenena manomboka eo amin’ny lehiben’ny sampan-draharaha tsirairay ka hatramin’ny mpisehatra mivantana any an-kianja. Ny tanjona dia ny fanafoanana ny mety ho fampijaliana atao na mihatra amin’ny olona iray mandritra ny fisamborana, fanadihadiana na ny fitazomana olona atao fanadihadiana.
✅️ Nanokatra izany tamin‘ny fomba ofisialy teny an- toerana, ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Gênéral de Police RANDRIAMBELO Mandimbin’Ny Aina.
Mizara andiany maromaro ireo mpiofana ka ny herinandro voalohany dia natokana ho an’ireo lehiben’ny sampan-draharaha eto anivon’ny Polisimpirenena. Hitohy izany ao anatin‘ny 3 herinandro ka ireo lefitry ny lehiben’ny sampandraharaha isan-tsokajiny no hanaraka ny fiofanana.
✅️ Hamoaka tari-dalana ny avy ao amin’ny Komity aorian‘ny fampiofanana mba hanenana sy hanafoanana ny mety ho endrika fampijaliana olona amin’ireo sehatra hiandraiketan’ny Polisimpirenena hatrany.

DRFC:NATOMBOKA OMALY NY FIOFANANA HO AN’IREO POLISY MISEHATRA AMIN’NY FIKAROHANA FANDIKAN-DALÀNA MBA HISOROHANA NY FAMPIJALIANA OLONA SY NY FANARARAOTAM-PAHEFANA MANDRITRA NY FANADIHADIANA

Vous pourrez aussi aimer