✅️ Voasambotry ny Polisy izy efatra mirahalahy ireto ny 01 novambra teo tao Mahabo, Sakaraha rehefa namaky trano niaraka tamin’ny basy ny 19 oktobra 2024.
✅️ Tamin’io daty voalaza io dia jiolahy miisa 05 no nanafika tokantrano iray tao Antsenavao, Sakaraha ka very tamin’izany ny basim-borona iray sy gonim-bary miisa 10 ary akanjo maro. Tsy tao an-toerana moa ireo tompon-trano ka nanao izay tiany ireto jiolahy.
👉 Tratra ihany anefa ny efatra tamin’izy ireo ny 01 novambra teo raha mbola karohina ny iray hafa. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny Polisy ao Sakaraha.
DRSP ATSIMO ANDREFANA/ CSP SAKARAHA EFADAHY NAMAKY TRANO TAO SAKARAHA VOASAMBOTRY POLISY