✅️ Tafapetraka omaly alakamisy 31 oktobra 2024 ny vato fototry ny Kaomisaria vaovao ao Ambohitrantenaina, Imerintsiatosika. Tafiditra amin’ny vinan’ny Filoham-pirenena mahakasika ny fampandrosoana mifototra amin’ny fijerena lavitra sy ny fanatsarana hatrany ny fandriampahalemana ny fanorenana tanana vaovao izay hahitana ireo biraom-panjakana maro izay ilain’ny vahoaka toy ny Kaomisaria.
✅️ Ao anatin’ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny tanan-dehibe izao hetsika izao. Nitarika izany tany an-toerana ny Sekreteram-panjakana misahana ny tanana vaovao sy ny toeram-ponenana eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, Andriamatoa Gérard ANDRIAMANOHISOA izay notronin’ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala sy ny Governoran’ny Faritra Itasy.
👉 Nitanisa ireo ezaka efa vita amin’ny fandrosoan’ny asa ny Sekreteram-panjakana misahana ny tanana vaovao sy ny toeram-ponenana ary nanentana ny Minisitera rehetra mba hanomboka ny asa fanorenana manaraka ny drafi-panajariana. Manamarika ny fahasahiana ara-politikan’ny Filohan’ny Repoblika izao hoy izy indrindra amin’ny fahaizana mitsinjo ny filan’ny vahoaka.
📢 Andriamatoa Minisitry ny Filaminam-bahoaka kosa dia nanamafy fa fanatanterahan’ny Polisimpirenena ny politikam-panjakana izao fanorenana izao satria hitondra fandriampahalemana maharitra eto amin’ity faritra ity ka hahafahan’ny vahoaka mamokatra hitarika fampandrosoana.
Tsy misy fampandrosoana hoy izy raha tsy misy fandriampahalemana.