✅️ Nanomboka ny 04 novambra 2024 ka haharitra 5 andro ny fampiofanana momba ny « Gestion de scène de crime» etsy amin’ny Kaomisaria Foibe Tsaralalàna izay karakarain’ny Fitaleavan’ny Fikarohana sy ny fampiofanana mitohy eto anivon’ny Polisimpirenena.
✅️ Polisy sy Zandary miisa 20 no miatrika ity fiofanana ity ka mpanofana avy amin’ny Polisy frantsay, Andriamatoa DORIVAL Ruddy no hizara ny traikefany amin’izany.
👉 Nanokatra ity fiofanana ity tamin’ny fomba ofisialy tetsy Tsaralalàna ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOZANANY Dany Marius. Zava-dehibe ny fampiofanana toy izao eo amin’ny fanatsaràna hatrany ny traikefa sy ny fomba fiasan’ny mpitandro filaminana mba ahitàna vokatra tsara amin’ny fitadiavana ireo izay nandika lalàna.
👉 Mifanaraka amin’ny vinan’ny fitondram-panjakana momba ny fanatsaràna ny fahaiza-manaon’ireo Polisy sy Zandary amin’ny fanatanterahana ny asany izao hetsika izao.

DRFC – FORMATION « GESTION DE SCENE DE CRIME »: NANOMBOKA OMALY ARY HAHARITRA DIMY ANDRO IZANY HO AN’IREO POLISY SY ZANDARY MIISA 20

Vous pourrez aussi aimer