✅️ Voasambotry ny Polisy ao Amparafaravola ny 21 sy 22 oktobra 2024 teo izy sivy mirahalahy ireto rehefa avy nanolana zazavavy vao 15 taona.
✅️ Raha tsiahivina dia zazavavy iray 15 taona no lasibatry ny fanolanana izay nataon’izy sivy lahy ireto ny alin’ny 15 Oktobra 2024 rehefa nody avy nanatrika raharaham-pianakaviana tao amin’ny FKT Ambohimandroso, Kaominina Ambohitrarivo, Distrikan’ Amparafaravola .
👉 Nandeha irery ity farany ka nararaotin’ireo olon-dratsy rehefa nandalo toerana maizina. Ny maraina izy vao tonga tany an-trano ka nilaza ny zava-nitranga tamin’ireo Ray aman-dreniny. Natao ny fizahana ka hita fa simba ary niharan’ny filan-dratsy tokoa ity zazavavy ity.
✅️ Nanoro ny mombamomba ireo mpanolana azy ilay zazavavy ka voasambotra ny roa tamin’izy ireo ny 21 oktobra 2024. Ny 22 oktobra 2024 kosa no nosamborina ireo fitolahy ambiny.

 

DRSP ALAOTRA MANGORO/ KAOMISARIA AMPARAFARAVOLA:NAMPIDIRINA AM-PONJA IREO 09 LAHY NANOLANA ZAZAVAVY 15 TAONA TAO AMPARAFARAVOLA

Vous pourrez aussi aimer